Antefasy

Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.

Ny Antefasy na Antaifasy na Tefasy na Taifasy dia vondrom-poko iray eto Madagasikara ao amin' ny morontsiraka atsimo-atsinanana, ao amin' ny faritra manodidina an' i Farafangana. Izany anarana izany dia midika hoe "ireo izay monina eo amin' ny fasika". Eo anelanelan' i Manampatra sy Mananara Atsimo izy ireo, izany hoe eo anelanelan' ny Antemoro ao avaratra sy ny Antesaka ao atsimo. Nizara telo ara-tantara ny fiarahamonina Antefasy, izay samy nofehezin' ny mpanjaka ary nifantoka mafy tamin' ny famerana ny fitsipi-pitondran-tena nentin-drazana. Niisa 150 000 any ho any ny Antefasy tamin' ny taona 2013[1].

  1. Diagram Group (2013). Encyclopedia of African Peoples. San Francisco, CA: Routledge..

From Wikipedia, the free encyclopedia · View on Wikipedia

Developed by Tubidy