Bara

Isambo

Ny Bara dia vondrom-poko malagasy monina any amin' ny faritra atsimo amin' ny lembalemba afovoan' i Madagasikara, ao amin' ny faritra Ihorombe sy Atsimo Andrefana ary Anosy. Toerana midadasika no misy azy ireo, voafaritry ny renirano Zomandao any avaratra (mampisaraka azy amin' ny Betsileo), ny faritra onenan' ny Tanala any atsinanana, ny ony Onilahy any atsimo andrefana (mampisaraka azy amin' ny Antandroy sy amin' ny Mahafaly), ary ny havoanan' Analavelona ao andrefana sy avaratra-andrefana. Ny tanàna lehibe any amin' ny Bara, dia i Sakaraha, i Ranotsara, Ivohibe, Ihosy, i Ranohira, Ankazoabo, i Betroka ary i Beroroha.

Ny Bara no vondrom-poko lehibe indrindra amin'ny vahoaka mpiompy omby eto amin' ny Nosy ary miaina amin' ny fomba mifindra monina, na dia mitombo aza ny ampahany amin'ny fambolena. Ny fiarahamonina bara dia tena entin' ny raibe ary ny fanambadian' ny mpihavana sy ny fampiradesana dia fanao amin'ny foko bara sasany. Mangalatra omby ny tovolahy mba hanaporofoana ny maha-lehilahy azy alohan'ny fanambadiana, ary nalaza manerana ny Nosy ny dihy nentin-drazana kilalaky sy dihy mifandray amin'ny mpangalatr' omby.

Ara-tantara ny Bara dia nalamina ho fanjakana maro nifandraika tamin'ireo andriana avy amin'ny tarika Zafimanely. Niray saina teo ambanin' ny mpanjaka tokana izy ireo tamin’ny faramparan’ny taonjato faha-18 talohan’ny nirotsahany ho fanjakana nifaninana indray. Nandritra ny taonjato faha-19, ny fandraisan' ny Bara anjara tamin'ny varotra andevo sy omby ary fanafihana tany amin'ny faritany teo akaiky dia nahita ny fitomboan'ny hareny sy ny fahefany na dia teo aza ny fikambanana ara-pôlitika nizarazara. Io hery ara-toekarena io no nahafahan’ny Bara nihazona ny fahaleovantenany tamin’ny fanitaran' ny Fanjakan' Imerina fahefana ary nanohitra ny fahefana frantsay efa ho folo taona taorian’ny fanjanahan-tany tamin’ny taona 1896. I André Resampa, mpitarika ara-pôlitika matanjaka tamin’ny tetezamita ho amin’ny fahaleovantena ho an’i Madagasikara tamin’ny 1960, dia avy amin’ny ny foko bara.

Tombanana ho 520 000 ny Bara eto Madagasikara tamin’ny taona 2000[1], izay manodidina ny 3 %n' ny mponina malagasy, ary izy ireo no mpiompy sy mpivarotra omby betsaka indrindra eto amin’ny Nosy.

  1. Appiah, Anthony; Gates, Henry Louis (2010). Encyclopedia of Africa, Volume 2. Oxford, UK: Oxford University Press, p. 158.

From Wikipedia, the free encyclopedia · View on Wikipedia

Developed by Tubidy