Afrika Atsimo

Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.

Republic of South Africa ((en))
Republiek van Suid-Afrika af
IRiphabliki yaseMzantsi Afrika xh
IRiphabliki yaseNingizimu Afrika zu
IRiphabliki yeSewula Afrika nbl
Repoblikan' i Afrika Atsimo ((mg))
Sainan'i Afrika Atsimo Fanevan'i Afrika Atsimo
(Antsipirihany) (Antsipirihany)
Teny filamatra : « !ke e: ǀxarra ǁke » (ǀXam)
Teny ofisialy fiteny afrikaans, fiteny anglisy, fiteny ndebele (isindebele), fiteny xhosa (isixhosa), fiteny zulu (isizulu), fiteny sotho avaratra (sepedi), fiteny sothodu atsimo (sesotho), fiteny tswana (setswana), fiteny siswati (siSwati), fiteny venda venda (tshivenda), fiteny tsonga (xitsonga).
Renivohitra Pretoria

Le Cap
Bloemfontein

Tanana lehibe indrindra Johannesburg
Fitondrana sy governemanta
 - Filohan'i Afrika Atsimo
Repoblika
Cyril Ramaphosa
Velarantany
 - Tontaliny
 - Rano (%)
faha 25
1 219 912 km²
Azo tsy kaontiana
Isam-ponina
 - Tontaliny (2009)
 - hakitroka
faha 27
49 052 489 mpo.
40.2 mpo./km²

{{{1}}}

Anaran'ny mponina Afrikanina
IDH (2006) 0.670 (moyen) 125[1]
Sandam-bola Rand (ZAR)
Faritr'ora UTC +2
Hiram-pirenena Nkosi Sikelel'iAfrika/Die Stem

Die Stem van Suid Afrika
Nkosi Sikelel'iAfrika

Valan-tsehatra internet
Antso
an-tariby
+27

I Afrika Atsimo dia firenena ao amin' ny faritra atsimo amin' i Afrika, manana velarany mirefy 1 219 090 km². Mamaritra azy avy ao avaratra i Namibia, i Bôtsoana, i Zimbaboe, i Môzambika ary i Esoatiny, ao atsinanana ny Ranomasimbe Indiana, ao andrefana ny Ranomasimbe Atlantika. I Lesôtô indray dia firenena rakotra tanteraka ao anatin' i Afrika Atsimo. Miisa eo amin' ny 48,7 tapitrisa eo ho eo (araka ny fanisam-bahoaka tamin' ny taona 2008) ny mponina ao. Atao hoe Afrikana Tatsimo ny vahoakan' io firenena io.

Be harena an-kibon' ny tany i Afrika Atsimo (volamena, diamondra sns.), ireo harena ireo no anisan' ny mahatonga azy ho firenena matanjaka indrindra ao Afrika.

Ilay mpandeha an-tsambo atao hoe Vasco de Gama no Eorôpeana nahita an' i Afrika Atsimo Voalohany tamin' ny taona 1498. Nozanahin' ny Hôlandey i Afrika Atsimo tamin' ny taonjato faha-17, avy eo nozanahin' ny Britanika nanomboka tamin' ny tana 1795. Taorian' ny adin' ny Boora izay nampifanandrina ny Britanika sy ny Afrikanera (taranaky ny voanjo avy any Hôlandy sy avy any Frantsa), teo anelanelan' ny taona 1899 sy 1902, dia niforona ny Firaisana Afrikana Tatsimo tamin' ny taona 1910. Io no lasa Repoblikan' i Afrika Atsimo tamin' ny taona 1961. Nisongadina teo amin' ny tantaran' i Afrika Atsimo tamin' ny antsasany faharoa amin' ny taonjato faha-20 ny pôlitikan' ny fanavakavaham-bolon-koditra (apartheid). Teo anelanelan' ny taona 1948 sy 1991 dia nitsinjara ho vondrona efatra voasaraka mazava tsara ny vahoaka tao Afrika Atsimo; dia ny mainty hoditra, ny safiotra, ny fotsy hoditra ary ny Indiana. Tamin' ny fiantombohan' ny taompolo 1960 dia nisy ny fanoherana izany pôlitikan' ny fanavakavaham-bolon-koditra izany ka i Nelson Mandela no nitarika izany. Novotsorana avy tao am-ponja ity mpitari-tolona ity tamin' ny taona 1990 rehefa natao ny fampihavanam-pirenena, ary voafidy ho filohan' i Afrika Atsimo tamin' ny taona 1994.

  1. Filaharana IDH 2008

From Wikipedia, the free encyclopedia · View on Wikipedia

Developed by Tubidy