Amerika

Amerika

I Amerika dia anisan' ny kôntinenta dimy, ny ranomasina mamaritra azy dia ny Ranomasimbe Pasifika any andrefany, ny Ranomasimbe Atlantika any atsinanany, ny Ranomasimbe Arktika any avarany ary ny Ranomasimbe Atsimo any atsimony. Ny faritany tena misongadina dia i Amerika Avaratra sy i Amerika Atsimo. Ireo faritra roa ireo dia voasaraky ny andilan-tanin' i Panama.

Amin' ny lafiny ara-jeôgrafia, ny velarantaniny dia 42 tapitrisa km2 ary ny isan' ny mponina dia 930 tapitrisa eo ho eo araka ny fanakekezana natao tamin' ny taona 2009.


From Wikipedia, the free encyclopedia · View on Wikipedia

Developed by Tubidy