Andro

Ny andro dia fe-potoana na tsingerim-potoana mifandraika amin' ny tsingerim-pihodinan' ny Tany amin' ny tenany. Amin' ny ankapobeny dia ny fiverenan' ny Masoandro amin' ny toerana efa nisy azy no amantarana ny fahafenoan' izany tsingerina izany. Izany dia misy 24 ora eo ho eo ka ny fanombohany dia miovaova arakaraka ny fahazarana sy ny tetiandro ampiasaina.

Ny teny hoe andro koa dia ilazana ilay fotoana ahitana na tokony hahitana ny Masoandro eny amin' ny habakabaka ka ahafahany manazava ny Tany, eo anelanelan' ny fiposahany sy ny filentehany, ka izany dia mifanohitra amin' ny atao hoe alina izay fotoana tsy ahitana ny Masoandro eo anelanelan' ny filentehany sy ny fiposahany. Ny andro resahina eny ambony izany dia ny fitambaran' ny andro (mazava) iray sy ny alina iray mifanarakarana na ny mifamadika amin' izany. Ventin-kalavam-potoana ampiasaina matetika handrefesana ny halavan' ny volana na ny taona ny andro.


From Wikipedia, the free encyclopedia · View on Wikipedia

Developed by Tubidy