Andro Taloha

Ny Andro Taloha dia vanim-potoan' ny Tantara izay nialoha ny Andro Antenatenany na ny Andro Vaovao. Miovaova ny fivelaran' io vanim-potoana io arakaraka ny sivilizasiôna heverina. Amin' ny tantara eorôpeana dia fotoana mifanandrify amin' ny sivilizasiônan' ny soratra nanodidina ny Ranomasina Mediteranea ny Andro Taloha ka ny ankamaroan' ny mpahay tantara dia mametraka ny fiantombohany eo amin' ny taonarivo faha-4 tal. J.K. (anelanelan' ny taona 3500 tal. J.K. sy 3000 tal. J.K.) miaraka tamin' ny famoronana ny soratra tany Mesôpôtamia (ny soratra miendri-pantsika.) sy tany Egipta. Nanova tanteraka ny tantaran’ ny olombelona ny fahitana ny soratra izay nitranga tamin’ ny taona 3300 tal. J.K. Ny fiafaran' ny Andro Taloha dia heverin' ny mpahay tantara ho manodidina ny taonjato faha-5 taor. J.K. (anelanelan' ny taona 300 sy 600).

Tamin’ ny taona 476 taor. J.K. dia rava ny empira farany tamin’ ireo lehibe tamin’ izay nisy manodidina an’ i Mediteranea, tsy iza izany fa ny Empira Rômana. Izany faharavàn’ ny Empira Rômana izany dia nahatapaka tanteraka ny tantaran’ ny Tandrefana nefa tsy nisy vokany tamin' ny tantaran’ ny faritra hafa eto amin’ izao tontolo izao.


From Wikipedia, the free encyclopedia · View on Wikipedia

Developed by Tubidy