Aprily

Ny volana Aprily na Avrily no volana fahefatra ao amin' ny tetiandro gregôriana sy joliana. Io volana io no voalohany amin' ny volana efatra misy 30 andro, ary volana faharoa amin' ny volana dimy dia maharitra latsaky ny 31 andro. Ny Aprily dia matetika mifandray amin' ny vanim-potoan' ny lohataona any amin' ny ila bolantany avaratra, ary amin' ny fararano any amin' ny ila bolantany atsimo, izay mitovy amin' ny volana Ôktôbra any amin' ny ila bolantany avaratra.


From Wikipedia, the free encyclopedia · View on Wikipedia

Developed by Tubidy