Berbera (vahoaka)

Vehivavy berbera (sloha)
Saina berbera

Ny Berbera na Amaziga na Imaziga dia vahoaka teratany ao Afrika Avaratra sy ao Sahara mampiasa ny iray amin' ireo fitenim-paritry ny fiteny berbera miisa telo arivo ka hatramin' ny efatra arivo. Tokony ho 28 ka hatramin' ny 38 tapitrisa eo ho eo ny mpiteny berbera any Afrika Avaratra.

Amin' ny fiteny berbera izy ireo dia atao hoe Imaziɣen amin' ny soratra latina, ⵉⵎⴰⵣⵉⵖⵏ amin' ny soratra tifinaga vaovao ary ⵎⵣⵗⵏ amin' ny soratra tifinaga nenti-paharazana.

Amin' izao fotoana izao, ny ankamaroan' ny Berbera dia mozilmana sonita, nefa misy koa ny Ibadita (ao Djebel Nefusa sy ao Zwara any Libia, ao Djerba any Tonizia, ao Mzab ary ano Ouargla any Alzeria). Misy koa ny Berbera jodaista sy ny Berbera kristiana.


From Wikipedia, the free encyclopedia · View on Wikipedia

Developed by Tubidy