Bodisma

Ny bodisma dia fivavahana sady filôzôfia izay nipoitra avy ao India tamin' ny taonjato faha-5 tal. J.K. noho ny fifohazana ara-panahin' i Siddhartha Gautama sy ny fielezan' ny fampianarany. Izany fivavahana sady filôzôfia izany dia mampianatra ny olona hamarana ny fijaliany amin' ny alalan' ny fanesorana ny fankahalana, ny tsi-fahalalana ary ny fitiavam-bola tafahoatra. Rehefa manao zava-dratsy ny olona dia hitarika voka-dratsy ho azy izany. Rehefa manao zavatra tsara ny olona dia hitarika voka-tsoa ho azy izany. Tsy mifandanja ny zavatra tsara sy ny zava-dratsy. Ny fampianaran' ny bodisma mikasika ny andriamanitra sy ny fomban' andriamanitra dia tsy itoviany amin' ny an' ny fivavahana hafa: azo heverina ho fivavahana tsy manana andriamanitra mpamorona ny bodisma; satria tsy misy firesahana momba izany ao amin' ny ankamaroan' ny sampan' ny bodisma. Ny fitsaohana sy ny fanompoam-pivavahana amin' i Bodà, amin' ny maha bhagavat azy, dia mandray anjara lehibe ao amin' ny sampana teravada sy ao amin' ny sampana mahaiana, izay manao an' i Bodà ho Bodhi ("voafoha") manana ny vatam-pisehoana telo sosona atao hoe trikāya.

Fitambarana fanao misandrahaka ny bodisma ka hita ao ny fandinihan-tena, ny vavaka, ny fanatitra, ny fitandremana ara-pitondrantena, ny hevitra ara-psikôlôjia sy ara-pilôzôfia; ny fampianarana momba ny fahaterahan' izao rehetra izao (kôsmôgônia) sy ny fiheverana momba izany, ka ny fomba fijerin' ny "voafoha" (bodhi) no entina manakatra izany rehetra izany. Toy ny jainisma ihany koa ny bodisma izay avy amin' ny fomba sramana (shramana) fa tsy avy amin' ny brahmanisma (toy ny hindoisma).

Tamin' ny taona 2018 dia niisa 623 tapitrisa ny Bodista maneran-tany, izay mametraka io fivavahana io amin' ny laharana fahefatra aorian' ny kristianisma sy ny finoana silamo ary ny hindoisma. Nisy fihemorana ny isan' ny mpanaraka azy tamin' ny taonjato faha-20 noho ny fanenjehan' ny fitondram-panjakana kômonista azy tao Sina sy tao Indôsina.

Roa ny sampana na firehana lehibe ao amin' ny bodisma, dia ny teravada (theravāda) sy ny mahaiana (mahāyāna). Miely any Srilanka sy any Azia Atsimo-Atsinanana (Kambôdia, Laôsy, Mianmara ary Tailandy) ny teravada. Ny mahaiana kosa dia hita indrindra any Nepaly, Malezia, Botàna, Sina, Japàna, Kôrea, Vietnamy, ary Taioàna. Ny vajraiana dia fampianarana avy amin' ireo Bodista indiana izay azo heverina ho sampana na endriky ny bidisma mahaiana. Ny bodisma tibetana kosa indray dia endriky ny vajraiana izay nitahiry ny fampianarana vajraiana nandritra ny taonjato valo tany India, izay arahin' ny vahoaka maro ao amin' ireo firenena amin' ny faritra himalaiana Môngôlia sy Kalmykia.


From Wikipedia, the free encyclopedia · View on Wikipedia

Developed by Tubidy