Christophe Colomb

We wil do inuifiunfne

I Christophe Colomb (velona anelanelan' ny 25 Aogositra sy ny 31 Ôktôbra 1451 tany Zena - Maty tamin' ny 20 Mey 1506, tany Valladolid, Espaina) dia olona voalohany indrindra teo amin' ny Tantara niampita ny Ranomasimbe Atlantika amin' ny alalan' ny fahitana lalana vaovao mandroso sy miverina anelanelan' ny kôntinenta Amerika na (noheveriny fa i India) sy i Eorôpa[1]. Nanao zotra efatra izy ohatra ny mpamily sambo, ary niasa ho an' ny Mpanjaka Katolika (Reyes Católicos, amin' ny fiteny espaniôla) Isabel de Castilla sy Ferdinand de Aragón, nanome azy ny satan' ny Manjaka Faharoan' i India ary ho lasa lehiben' ny nosy sy tany ho hitany mandritry ny diany. Ny fahitana ny faritra Karaiba dia nanamarika ny fanjanahana an' i Amerika. Io fahitam-baovao io dia nanamarika ny fanombohan' ny Andro Vaovao (na Vanimpotoana Môderna).

Na dia lazaina aza fa ny Vikingy no tonga tao Amerika voalohany tany amin' ny Terre-Neuve-et-Labrador, ary na dia efa nisy tanàna vikingy aza tany amin' ny faritra avaratry ny nosin' ny Tere-Neuve, I Colomb no tena lazaina fa "mpahita an' i Amerika".

  1. ((fr)) Nanoratra i Pierre Chaunu : « Voyez le miracle Colomb. En moins de dix ans, les routes maritimes qui, trois siècles durant, assureront le meilleur des relations entre l'Europe et l'Amérique, sont à peu près définitivement fixées. » in Conquête et exploitation des nouveaux mondes, PUF, Nouvelle Clio, 1969, p. 267.

From Wikipedia, the free encyclopedia · View on Wikipedia

Developed by Tubidy