Didy Folo

I Mosesy sy i Aarôna miaraka amin' ny Didy Folo, nataon'i Aron de Chavez, taona 1674.

Ny Didy Folo dia fitambaran-tsoratra mirakitra toromarika momba ny fitondran-tena sy ny fivavahana izay hita ao amin' ny Baiboly sady voalaza ao fa nosoratan' ny "tanan' Andriamanitra" tamin' ny vato fisaka sy nomeny an' i Mosesy (na Môizy) tao amin' ny tendrombohitra Sinay (na Hôreba). Amin' ny teny hebreo dia atao hoe עֲשֶׂרֶת הַדִּבְּרוֹת / ʿAsereth ha-Diberoth izay midika hoe "teny folo" ny Didy Folo, ary amin' ny teny grika dia δεκάλογος / dekálogos izay midika hoe "teny folo" ihany koa (jereo: Eksôdôsy 34:28; Deoterônômy 4:13).


From Wikipedia, the free encyclopedia · View on Wikipedia

Developed by Tubidy