Dite (zavamaniry)

Ravin-dite
Vonin-dite
Voan-dite lena
Voan-dite maina

Ny dite dia karazana hazo madinika ao amin' ny fianakavian' ny Theaceae. Any Atsinanana Indrindra no fiaviany. Camellia sinensis no anarany ara-tsiansa. Volena be dia be izy mba hahazoana raviny izay hamainina hanaovana zavapisotro amin' ny alalan' ny fitanehana azy. Atao hoe dite ihany koa ilay zavapisotro azo avy aminy.

Ny dite fotsy, ny dite mavo, ny dite maitso, ny oolong, ny dite maizina (anisany ny dite pu-erh) ary ny dite mainty dia samy alaina avy amin' ny iray amin' ny karazany roa lehibe ambolena ankehitriny, ny Camellia sinensis var. sinensis sy ny Camellia sinensis var. assamica, saingy hafa ny fikarakarana azy mba hahatratrarana haavom-pisian' ôksida isan-karazany, ka ny dite mainty no be ôksida indrindra fa ny dite fotsy no kely ôksida indrindra. Ny kukicha (dite vita amin' ny sampany madinika) dia azo avy amin' ny C. sinensis ihany koa, saingy mampiasa rantsany sy tahony fa tsy ny raviny.

Ny firenena mpamokatra dite lehibe dia i Sina, arahin' i India, i Kenia, i Srilanka, Vietnamy ary i Torkia. Any Azia indrindra no ahitana ny famokarana dite (83,4 %), ny aty Afrika dia miantoka ny 12,3 % amin' ny famokarana dite eran-tany, i Amerika mamokatra 2,2 %, i Eorôpa 1,9 % ary i Ôseania 0,2 %.


From Wikipedia, the free encyclopedia · View on Wikipedia

Developed by Tubidy