Ejipta Ambony

I Ejipta Ambony na Egipta Ambony dia ny tapany atsimo amin' i Ejipta. Ambony haavo kokoa io faritra io raha mitaha amin' ny faritra hafa any Ejipta, ka izany no nahatonga ilay anarana. Atao hoe صعيد مصر / es-Ṣeʿīd na الصعيد / es-Ṣaʿīd ity faritra ity amin' ny teny arabo. Nantsoin' i Ejiptiana tamin' ny Andro Taloha hoe Ta Shémau izy. Any amin' ny faritr' i Ejipta mantsy dia ahitana koa an' i Ejipta Antenatenany sy i Ejipta Ambany (ataon' ny Ejiptana taloha hoe Ta Mehu). I Ejipta Ambony dia tandrify ny tapany atsimo amin' i Ejipta ankehitriny, ao amin' ny faritr' i Aphroditopolis (ao atsimon' i Memfisy) hatrany amin' ny tohadrano ambony ao Assouan, ao akaikin' ny katarakta voalohany, izany hoe ao amin' ny sisin-tany varatr' i Nobia Ambany.


From Wikipedia, the free encyclopedia · View on Wikipedia

Developed by Tubidy