Ejipta tamin' ny Andro Taloha

Ny sfinksa sy ny piramidan' i Kefrena ny Ejipta

I Ejipta tamin' ny Andro Taloha na Egipta tamin' ny Andro Taloha dia mifandraika amin' ny vanimpotoana teo anelanan' ny fiandohany sy ny taonjato faha-7 taor. J.K. Atao hoe egiptôlôjia na ejiptôlôjia ny siansa misahana ny fandalinana izany tantara sy sivilizasiôna izany.

Ny mpahay tantara dia mizara ny tantaran' i Ejipta tamin' ny Andro Taloha nanjakan' ireo faraôna (na farao) ho empira telo, dia ny Empira Voalohany sy ny Empira Antenatenany ary ny Empira Vaovao, izay elanelanin' ny vanimpotoana antenatenany nisian' ny fanjakà-mpanjaka maro dia maro. Rehefa mihamalemy ny fanjakana dia teraka ny fivakivakisana omban' ny loza isankarazany sy ny fananiham-bohitra ary ny fahantrana. Nifandimby amin' ny vanimpotoan' ny firoboroboana ny vanimpotoan' ny fahasahirananana atao hoe vanimpotoana antenatenany. Taorian' ny vanimpotoan' ny faraôna dia nisy ny Vanimpotoana Farany izay narakarahin' ny Vanimpotoana Helenistika sy ny Vanimpotoana Rômana ary ny Vanimpotoana Bizantina.


From Wikipedia, the free encyclopedia · View on Wikipedia

Developed by Tubidy