Ezekiela

Ny mpaminany Ezekiela, nataon'i Peter Paul Rubens, taona 1609-1610.

I Ezekiela dia mpisorona sy mpaminany tao Jerosalema resahina ao amin' ny Baiboly. Nentina natao sesitany tany Babilônia niaraka tamin’ ireo Jiosy hafa avy any Jodà tamin’ ny fotoan’ ny Fahababoana, tamin’ ny andron’ i Dariosa Lehibe mpanjakan’ i Persia tany amin’ ny taonjato faha-6 tal. J.K.

Nofidin’ Andriamanitra ho mpaminany ho an’ ireo babo tany Babilôna sy ireo sisa tavela tao Jerosalema i Ezekiela. Nanomboka tokony ho tamin’ ny taona 597 tal. J.K. nandritra ireo taona faramparan’ ny Fanjakan’ i Jodà sady nifarana tamin’ ny 570 tal. J.K. ny asa faminaniany.

I Ezekiela dia ataon' ny lovantsofina jiosy ho nanoratra ny Bokin' i Ezekiela.


From Wikipedia, the free encyclopedia · View on Wikipedia

Developed by Tubidy