Fambolena Tropikaly

Fambolena fary

Amin’ny izao tontolo izao, be kokoa ny olona mamelon-tena amin’ny fambolena tropikaly noho ny asa hafa rehetra. Ny ankabeazan’ireto olona ireto dia mpamboly tsy mamaoka ambom’bokatra sady mipetraka amin’ny toerana tropikaly. Mamboly voly fihinana ho an’ny fandaniana anatiny no ny tanjon’ny fambolena tropikaly, kanefa misy toerana mamoaka voly fanondrana ohatra (menaka palma, paraky, siramamy, sns).

Rehefa mamaritra ny tany tropikaly, dia mampiasa teny manazava faritra manana toetany mitovitovy (ohatra: habetsahan’ny orana, toetoetry ny tontolo onenana, karazan-tany, sns).

Teny ankapobeny dia tropikaly be orana (ala mikitroka), tropikaly maina (tany efitra sy toerana misy tany maina karakaina), na tropikaly varatraza (toerana misy vanim-potoana be orana/maina voafetra). Mahasoa ireto teny voafaritra ireto rehefa mandinika ny fambolena satria raha misy teknika fambelona mandaitra amin’ny toetany ankiray, dia tokony handaitra amin’ny toerana hafa misy ity toetany mitovitovy ity, na dia mifanohitra amin’ny lafiny ara-giloby aza ireto toerana ireto. Ny teknika ampiasana amin’ny faritra tsy tropikaly matetika tsy mety amin’ny fambolena an-tany tropikaly. Tamin’ny tapany faharoa an’ny taon-jato faha-20 dia betsaka ny fanandramana mandika ny fomba fambolena mahomby avy amin’ny tany tsy tropikaly. Kanefa tsy mandaitra noho ny toetany, karazana tany, sy fomba fizarazaran’ny tany samihafa any tany tropikaly.

Nony nandaitra ireto fomba fambolena ireto dia nanasoa ny mpamboly manana tany malalaka, satria miorona amin’ny famokarana lehibe ny teknikan’ny fambolena amin’ny tany tsy tropikaly. Matetika mamory tany mamokatra ny mpanam-bola na orinasa ary voailikilika ny mpamboly mandinika ho any amin’ny tany tsy mamokatra.


From Wikipedia, the free encyclopedia · View on Wikipedia

Developed by Tubidy