Fanahy Masina

Ny Fanahy Masina, araka ny finoana jiosy sy kristiana, dia fanahy na olona na herin' Andriamanitra anatanterahany ny zavatra kasainy hatao, hatramin' ny famoronana izao tontolo izao ka hatramin’ izao. Hita ombieniombieny ny firesahana ny Fanahy Masina ao amin' ny Baibolin' ny jodaisma sy ny kristianisma. Ny fivavahana sasany, toy ny silamo sy ny bahaisma, dia mino ny fisian' ny Fanahy Masina koa nefa samy manana ny fomba fampianarany an' izany.


From Wikipedia, the free encyclopedia · View on Wikipedia

Developed by Tubidy