Fanitso

Sihoa vita amin' ny fanitso
Tafo fanitso

Ny fanitso dia singa ara-tsimia, metaly, mitondra ny laharana atômika 30 amin' ny firaketan' i Mendeleiev sy eva Zn (fanafohezana ny teny latina hoe Zincum). Singa tetezamita ny fanitso.

Ny fanitso dia efa nampiasaina hatramin' ny Andro Taloha amin' ny endrika tsama misy varahina sy firapotsy, saingy tsy noheverina ho singa mahaleo tana izy io raha tsy tamin' ny taona 1746, rehefa nanasaraka azy io tamin' ny alalan' ny fanafanana kalaminina sy arintany ny mpahay simia alemàna Andreas Sigismund Marggraf. Singa manan-danja amin' ny fiainan' ny zavamananaina ny fanitso.

Betsaka ny fanitso ao amin' ny akanjon' ny Tany. Tsy hita amin' ny toetra botsoaka eny amin' ny zavaboary izy io fa amin' ny endrika ôksidana fanitso (ZnO), amin' ny endrika silikatana fanitso (2ZnO,SiO2,H2O), amin' ny endrika karbônatana fanitso (ZnCO3), amin' ny endrika ôksidana fanitso sy ôksidana vy mifangaro (Zn(FeO2)O2), ary solfidana fanitso (ZnS).


From Wikipedia, the free encyclopedia · View on Wikipedia

Developed by Tubidy