Fianakaviam-piteny dravidiana

Ny zana-bondron'ny fiteny dravidiana

Ny fiteny dravidiana dia fianakaviam-piteny ahitana fiteny miisa 30 any ho any izay samy avy ao India avokoa, ka tenenina indrindra ao amin' ny tapany atsimon' i India. Atao hoe Dravidiana ireo vahoaka tompon' ireo fiteny ireo. Misy mpiteny azy ireo koa ny any Srilanka, ny any Pakistàna sy ireo vahoaka indiana nifindra monina. Tamin' ny taona 2010 dia nahatratra 214 000 000 any ho any ny mpiteny amin' ny fiteny dravidiana, ka ny tena be mpampiasa dia ny fiteny telogo sy ny fiteny tamoly na tamily (76 000 000 sy 80 000 000 ny isan' ny mpiteny azy avy), na ny fiteny malaialama sy ny fiteny kanada (izay misy mpiteny miisa 33 000 000 sy 38 000 000 isany avy). Ny tsirairay amin' ireo fiteny efatra ireo dia fiteny be mpampiasa ao amin' ny Fanjakana indiana tsirairay, dia i Andhra Pradesh (sy i Telangana izay nisaraka tamin' ny taona 2014), i Tamil Nadu, i Kerala ary i Karnataka.


From Wikipedia, the free encyclopedia · View on Wikipedia

Developed by Tubidy