Filipina

Republika ng Pilipinas ((tl))/((fil))
Republic of the Philippines en
República de las Filipinas es
Repoblikan'i Filipina ((mg))
Sainan'i Filipina Fanevan'i Filipina
(Antsipirihany) (Antsipirihany)
Teny filamatra :
Maka-Diyos, Maka-Tao, Makakalikasan at Makabansa
Ho an'Andriamanitra, ny Mponina, ny zavaboahary ary ny firenena'
Teny ofisialy fiteny filipino sy fiteny anglisy
Renivohitra Manila
14°35′N 121°0′E / 14.583°N 121.000°E / 14.583; 121.000
Tanàna lehibe indrindra Quezon City
Fitondrana sy governemanta
 - Filoha
Repoblika
Rodrigo Duterte
Velarantany
 - Tontaliny
 - Rano (%)
faha 70
300 000 km²
0,6%
Isam-ponina
 - Tontaliny (2008)
 - hakitroka
faha 13
92 681 453 mpo.
289 mpo./km²

{{{1}}}

Anaran'ny mponina Filipin
Sandam-bola Peso filipina (PHP)
Faritr'ora UTC +8
Hiram-pirenena Lupang Hinirang
(firenena nosafidiana)
Valan-tsehatra internet
Antso
an-tariby
+63

I Filipina, na amin' ny anarany lava Repoblikan' i Filipina, dia firenena any Azia Atsimo-Atsinanana, forinina tangoro-nosy ahitana nosy miisa 7 641 ary manana velarana mirefy 300 000 km². I Manila no renivohiny. Ny fiteny anglisy sy ny fiteny filipinô no fiteny ôfisialy any. Atao hoe Filipina na Filipinô ny vahoaka any.

Amin' ny teny tagalôga dia atao hoe Republika ng Pilipinas, i Filipina, fa amin’ ny teny anglisy kosa izy dia atao hoe Republic of the Philippines, amin' ny teny espaniôla dia República de Filipinas, amin' ny teny ilôkanô dia Republika ti Filipinas, amin' ny teny seboanô dia Republika sa Pilipinas.

Any amin' ny faritra andrefana amin' ny Ranomasimbe Pasifika no misy an' i Filipina. Ny firenena manodidina azy dia i Taiwan any avaratra, ny faritany atsinanana amin' i Malezia (Bôrneô), i Broney, ary i Indônezia (faritany indônezianin' i Bôrneô na Kalimantan). Nosy maherin' ny roa arivo no misy mponina mipetraka ary 2 400 no isan' ny nosy tsy manana anarana. Mitana ny 90 % amin' ny velaran' i Filipina ny nosy roa ambin' ny folo lehibe indrindra.

I Luzón sy i Bisayas ary i Mindanao no faritra ara-jeôgrafia telon' i Filipina. Ny nosin' i Luzon no lehibe indrindra ary avaratra indrindra amin' ilay firenena, ary ao no misy an' i Manila renivohitra sy i Quezon City izay ny tanàna lehibe indrindra, misy mponina miisa 15 tapitrisa. Ao amin' ny faritra afovoan' i Filipina no misy an' i Visaya, ahitana ny nosy Negros, Cebu, Bohol, Panay, Masbate, Samar ary Leyte. Any atsimo no ahitana an' i Mindanao, nosy faharoa amin' ny velarany. I Davao, i Marawi, i Zamboanga ary i Cagayan no tanàna lehibe ao amin' ny nosin' i Mindanao. Any atsimo-andrefan' i Mindanao no misy ny Tangoro-nosy Sulu ahitana koa an' i Basila, i Jolo ary i Tawi Tawi; akaikin' i Bôrneô no misy azy ireo ary ireo nosy ireo dia itoeran' ny vondrona isilamista mpampihorohoro Abu Sayyaf. Any andrefan' i Visaya no misy ny Tangoro-nosin' i Palawan, misy nosy miisa 1 700.

Ny toekaren' i Filipina dia mifototra amin' ny fambolena: ny vary dia nambolena efa 3 000 taona lasa tamin' ny tanimbary farafaratany.

Iray amin' ny firenena roa be Katôlika any Azia (miaraka amin' i Timôro Atsinanana) i Filipina ary iray amin' ny firenena nanandray ny kolontsaina tandrefana indrindra.


From Wikipedia, the free encyclopedia · View on Wikipedia

Developed by Tubidy