Fiompiana

La traite du troupeau, nataon' i David Teniers le Jeune (maneho ny fiompiana ondry sy omby tamin' ny taonjato faha-17.)

Ny fiompiana dia fitambaran' ny asa miantoka ny fikarakarana sy ny fampitomboana taranaka ny biby, ka mety ho biby fiompy izany na biby dia, izay atao ho amin' ny tombontsoan' ny olombelona. Ireo biby ireo dia mipetraka tsy lavitra ny fonenan' ny mpiompy azy na ao an-tranony mihitsy aza. Izany dia asa ikendrena, amin' ny alalan' ny fikarakarana, ny fampitomboana taranaka, ary ny fampiasana ny biby fiompy, ho amin' ny fanomezana fahafaham-po ny filana ara-pitaovana na ara-tsakafo ary indrindra ara-pamantarana hita maso (ara-tsaina sy ara-pivavahana).


From Wikipedia, the free encyclopedia · View on Wikipedia

Developed by Tubidy