Fiteny (heviny mivelatra)

Ny sora-pantsika (cunéiforme) dia anisan'ny fomba fanoratana voalohany indrindraha misy eto an-tany.

Ny fiteny dia fomba fampitana ny fampahalalana. Ny hevitry ny hoe fiteny amin' ny fiteny malagasy dia "teny iombonan' ny vondron' olona iray", ny heviny hafa koa dia "zavatra azo tenenina" na "fomba na baiko atao fifandraisana". Ny heviny hodinihana ato dia ny heviny voalohany: "teny iombonan' ny vondron' olona iray".

Ny fahafahana mampiasa fiteny dia nanomboka talohan' ny vanimpotoan' ny Tantara, tahaka ny vondrom-piteny nampiasain' ny olombelona nanomboka nanoratra.

Nandritra ny Andro Vaovao dia nihabetsaka ny isan' ny fiteny foronina. Ny fiteny foronina dia teny mbola tsy nisy taloha, fa noforonin' ny olona iray na maro; ny fiteny foronina dia tokony ho sarahina amin' ny fitenim-pirenena; ny fiteny foronina malaza indrindra maneran-tany dia ny fiteny esperantô.

Ny fiteny dia heverina fa fomba fifandraisana an' ny olombelona manokana, na dia manana fomba fifandraisana sarotra azo aza ny biby, lazaina hoe fitenin' ny biby.

Ny hoe fiteny dia manana heviny maro. Ny fiseho hita indrindra dia ny fiteny tenenina toy ny fiteny anglisy na ny fiteny sinoa tenenina. Na dia izany aza dia misy koa ny fiteny soratana ary fomba hafa ifandraisana tsy mila feo toy ny fitenin' ny moana (na baiko moana).


From Wikipedia, the free encyclopedia · View on Wikipedia

Developed by Tubidy