Fiteny iraisam-pirenena

Amin'ny heviny hentitra dia atao hoe fiteny iraisam-pirenena dia fiteny tsy ana firenena na iza na iza, ampiasaina amin'ny fifandraisana iraisam-pirenena eo amin'ny mpiteny avy amin'ny firenena samihafa, indraindray natokana ho amin'izany, toy ny fiteny esperanto. Amin'ny heviny mivelatra dia mety ho fitenim-pirenena ampiasaina matetika manin'ny fifandraisana iraisam-pirenena izany ka mahazo tombony ny mpiteny teratany. Ireto avy ireo fiteny ampiasaina ho fiteny iraisam-pirenena: ny fiteny latina, ny fiteny frantsay, ny fiteny pôrtogey, ny fiteny espaniôla, ny fiteny arabo, ny fiteny anglisy, ny fiteny sinoa, ny fiteny rosiana, ny fiteny esperanto ary ny fiteny alemàna.


From Wikipedia, the free encyclopedia · View on Wikipedia

Developed by Tubidy