Fiteny iraniana

Fitsinjaràm-paritr' ireo fiteny iraniana

Ny fiteny iraniana na fiteny iranika dia vondrom-piteny anisan' ny fiteny indô-eorôpeana, zana-pizaràn' ny sampana indô-iraniana. Ny vondrom-piteny iraniana dia ahitana indrindra ny fiteny avestika, ny fiteny persiana taloha, ireo fiteny iraniana maro notenenina nandritra ny Andro Antenatenany, ny fiteny persana ankehitriny, ny fiteny pastô, ny fiteny kiorda ary ny fiteny balotsy. Ny fitenin' ny Skitiana sy ny an' ny Sarmatiana ary ny fiovan' ireo fiteny ireo amin' izao fotoana izao, ny fiteny ôseta tenenina ao Kaokazy, dia samy fiteny iraniana koa.

Ny toerana ahitana mpiteny iraniana dia tsy voafetran' ny tanin' ny Repoblika Islamikan' i Iràna fa mivelatra mankany amin' ny faritra Afovoany Atsinanana (ao amin' ny faritra maro miteny kiorda ao Torkia sy Siria ary Iràka), ao Kaokazy (any Ôsetia sy ao amin' faritra maromaro miteny tatô any Azerbaijàna), ary any Azia Afovoany (ao Iràna sy ao Afganistàna ary ao Pakistàna). Manampy azy ireo vahoaka mpifindra monina, indrindra ny Kiorda.


From Wikipedia, the free encyclopedia · View on Wikipedia

Developed by Tubidy