Fiteny persana

Sarintany maneho ny faritra ahitana ny mpiteny persana.

Ny fiteny persana na fiteny farsy na fiteny persiana dia tenim-pirenenan' i Iràna, ao amin' ny fianakaviana indô-eorôpeana, ao amin' ny sampana indô-iraniana, ao amin' ny zana-tsampana iraniana. Mahery ny 60 tapitrisa ny isan' ny mpiteny persana any Iràna ary ny any Afganistana misy 16 tapitrisa. Misy mpiteny persana koa ny any Tajikistàna, ny any Bareina ary ny any Ozbekistàna (ny foko tajiky). Atao hoe فارسی / fārsī ny anaran' ny fiteny persana any Iràna sy any Afganistàna. Endrika arabon' ny teny hoe parsi, ny hoe farsi satria tsy manana renifeo p ny abidy arabo.

Manana satam-piteny ôfisialy ny fiteny persana anatin' ireo firenena telo ireo: endriky ny fiteny persana isam-paritra ny fiteny dary (fiteny ôfisialy ao Afganistàna) sy ny fiteny tajiky (fiteny ôfisialin' i Tajikistàna) izay tenenina koa ao Kirgizistàna, ao Torkmenistàna, ao Ozbekistàna ary koa ao Kazakstàna. Ny totalin' ny mpiteny persana dia misy 75 tapitrisa.

Ny rafi-pehezanteniny dia SOV. Soratana amin' ny alalan' ny abidy arabo ny fiteny persana na dia tsy manam-pifandraisana amin' ny fiteny arabo aza izy na amin' ny lafiny voambolana na amin' ny lafiny ara-drafi-peo. Any Tajikistàna (sy any Ozbekistàna miteny persana) dia soratana amin' ny abidy sirilika ny fiteny tajiky.


From Wikipedia, the free encyclopedia · View on Wikipedia

Developed by Tubidy