Fiteny rosiana

Fiteny rosiana
русский язык

Isan'ny mpiteny 144 tapitrisa (L1)
258 tapitrisa (L1+L2)
Faritany  Rosia sy firenena manodidina
Sata fiteny ôfisialin' i  Rosia,  Kazakstana,  Belarosia ary Endrika:Firenena Mikambana
saritan'ny tany miteny Rosy

Ny fiteny rosiana dia fiteny slava tenenina any amin' ny firenen' ny Firaisana Sôvietika taloha. Ny fiteny rosiana no fiteny ôfisialin' i Rosia, izay nitana anjara asa lehibe amin' ny maha fiteny ifandraisan' ny samihafa firenena (lingua franca) azy tao amin' ny Empira Rosiana sy tao amin' ny Firaisana Sôvietika. Mbola ampiasaina ho fiteny faharoa ao amin' ireo repoblika sôvietika taloha ny fiteny rosiana. Atao hoe "fiteny rosiana lehibe" izy, ka mitambatra amin' ny fiteny bielôrosiana sy ny fiteny okrainiana ao amin' ny sampana atsinanana amin' ny fianakaviam-piteny slava.

Ny fiteny rosiana dia manana sata ôfisialy any Rosia, Kazakstana, Kirgizistana, Belarosia. Na dia tsy manana sata ôfisialy aza izy, dia ampiasain' ny firenen' ny Firaisana Sôvietika taloha ho fiteny ifandraisana amin' ny vahiny ny fiteny rosiana. Araka izany dia isaina eo amin' ny 100 tapitrisa eo ho eo ny nianatra ilay fiteny eran' izao tontolo izao. Raha atambatra amin' ny isan' ny olona notezaina tamin' ny fiteny rosiana izany dia eo amin' ny 255 tapitrisa eo ho eo ny isan' ny olona miteny rosiana. Noho ny tanjaka ara-tafiky ny Firaisana Sôvietika taloha dia anisan' ny teny ôfisiain' ny Firenena Mikambana ny fiteny rosiana miaraka amin' ny fiteny arabo, anglisy, espaniola, frantsay ary sinoa.


From Wikipedia, the free encyclopedia · View on Wikipedia

Developed by Tubidy