Fiteny zazaky

Vehivavy zazà

Ny fiteny zazaky, izay atao hoe fiteny kirmanjky na kirdky na dimly na dimilky, dia fiteny ao amin' ny fianakaviana indô-eorôpeana, ao amin' ny sampana indô-iraniana, ao amin' ny zana-tsampana iraniana, tenenin' ny vahoaka zaza izay monina ao amin' ny faritr' i Dersim sy i Elâzığ ary i Diyarbakır ao Torkia. Anisan' ny fiteny kiorda ny fiteny zazaky. Misy mampiasa io fiteny io koa ny ao amin' ny faritany sasany ao Kordistàna (ao atsimo). Maro ny toetra itovizan' ny fiteny zazaky amin' ny fiteny ao amin' ny Ranomasina Kaspiana toy ny fiteny talisy sy ny fiteny gilaky ary ny fiteny mazandarany.


From Wikipedia, the free encyclopedia · View on Wikipedia

Developed by Tubidy