Fitsanganan-ko velona

Fahitan' i Ezekiela ny amin' ny Lohasahan' ny taolana maina, sary nataon' i Gustave Doré (1866)

Ny fitsanganan-ko velona na fitsangana amin' ny maty dia ny fiverenan' ny efa maty ho velona indray, indrindra ho amin' ny fiainana mandrakizay. Ny fitsanganana amin' ny maty dia atao amin' ny teny grika hoe : ἀνάστασις νεκρῶν / anastasis nekrôn na ἀνάστασις τῶν νεκρῶν / anastasis tôn nekrôn[1]. Foto-pampianarana iombonan' ny fivavahana maro izany, izay inoana fa ahafahan' ny maty haverina ho amin' ny fiainana indray. Ny endrika isan-karazany isehoan' izany finoana izany dia hita ao amin' ny eskatôlôjia jiosy, kristiana, silamo ary zôrôastriana. Ny fivavahana abrahamika dia manome lanja samihafa ny fitsanganana amin' ny maty. Misy ampahany amin' ny mpanaraka ny fivavahana jiosy no tsy mino ny fitsanganana amin' ny maty, anisan' izany ny Sadoseo (na Sadoseanina). Efa nahitana taratra ny finoana ny fitsanganan-ko velona ny fivavahana zôrôastriana sy ny fivavahana tany Egipta taloha. Ny fivavahana any Azia Atsinanana ankehitriny koa dia ahitana firesahana ny amin' ny fitsanganana amin' ny maty.

Andriamanitra toa an' i Herkiola, i Diônisôsy, sns. dia andriamanitra maty sy teraka indray isan-taona, amin' ny ekinôksan' ny lohataona (ilabolantany avaratra). Ny andriamanitra hafa, indrindra fa ny andriamanitra galoà, dia teraka indray amin' ny sôlstisin' ny fahavaratra - ilabolanteny avaratra[2].

  1. Strong 2007, p. 1604: G386 ἀνάστασις.
  2. "La croyance en la résurrection dans les religions païennes du Proche-Orient" [arsiva], L'Orient-Le Jour, 15 juin 2004

From Wikipedia, the free encyclopedia · View on Wikipedia

Developed by Tubidy