Iranianina (vahoaka)

Ny Iranianina na Vahoaka iraniana dia vahoaka miteny amin' ny fiteny iranika na iraniana toy ny fiteny persana, kiorda, tajiky, pastô, ôsetiana, balotsy, ary zazaky mipetraka any Azia Andrefana. 130 tapitrisa eo ho eo no isany manerana izao tontolo izao. Ny fiteny iranianina dia fiteny ao amin' ny vondrona indô-eorôpeanina, izay vondrona misy koa ny fiteny eorôpeana (frantsay, anglisy, rosiana, soedoà, alemana, italianina) sy ny fiteny indianina (hindy, ordo, bengaly).

Ny vahoaka iraniana taloha dia nipoitra tamin' ny taonarivo voalohany tal. J.K., ka isan' izany ny Alàna, ny Baktriana, ny Daha, ny Koarezmiana, ny Masageteana na Masageta, ny Mediana (na Meda), ny Partiana, ny Persiana, ny Sagartiana, ny Saka, ny Sarmatiana, ny Skitiana (na Sita), ny Sôgdiana, ary angamba ny Kimeriana (na Simeriana).

Ireto ny vahoaka iraniana ankehitriny: ny Persàna (Aimaka, Farsioana, Hazara, Tajika, Taty, Ajamo), ny Pastona (Dorany, Gilzay), ny Kiorda (Kormajy, Sôrana, Lôra, Laka, Sekbizina), ny Balotsy, ny Mazandarany, ny Gilany, ny Pamiry (Sarikôly, Oaky, Tajikin' i Sina, Sogny), ny Talisy, ny Ôsetiana (Iasa), ny Iagnoby, ny Parsỳ, ny Iranỳ, ny Zaza ary ny Gôrana.


From Wikipedia, the free encyclopedia · View on Wikipedia

Developed by Tubidy