Janoary

Ny andriamanitra Janosy (Janus)

Ny Janoary no volana voalohany amin' ny kalandrie gregôriana sy joliana, ary voalohany amin' ny volana fito misy 31 andro. Ny andro voalohany amin' io volana io no atao hoe "andron' ny taom-baovao". Izy no volana mangatsiaka indrindra any amin' ny ila-bolantany avaratra (volana faharoa amin' ny ririnina) ary volana mafana indrindra any amin' ny ila-bolantany atsimo (volana faharoa amin' ny fahavaratra). Any amin' ny ila-bolantany atsimo, ny volana Janoary dia mitovy amin' ny volana Jolay any amin' ny ila-bolantany avaratra raha ny fizaràn-taona no heverina.


From Wikipedia, the free encyclopedia · View on Wikipedia

Developed by Tubidy