Jolio Kaisara

Jolio Kaisara
Ankapobeny
Anarana Jolio Kaisara
Teraka 12 Jolay -100
Maty 15 Martsa -44
Fiaviana sy ny andraikitra
Firenena Repoblika Romana, Roma Taloha
Asa :
Fiainana manokana

I Jolio Kaisara na Joliosy Kaisara dia mpitari-tafika (jeneraly) sy mpanao pôlitika ary mpanoratra rômana, teraka tao Rôma tamin' ny 12 na 13 Jolay taona 100 tal. J.K. ary maty tamin' ny 15 Marsa 44 tal. J.K. tao Rôma ihany koa. Antsoina amin' ny teny latina hoe Caius Iulius Caesar IV tamin' ny fahaterahany izy, ary Imperator Iulius Caesar Divus taorian' ny fahafatesany.

Nisy akony lehibe teo amin' ny Tontolo Rômana sy ny tantaran' izao tontolo izao ny fiainan' i Jolio Kaisara: be hambom-po sy manan-tsaina izy, nankininy tamin' ny firehan' ny fanavaozana sy ny kobaka ambava ny fiakarana pôlitikany; havanana amin' ny fanaovana paikady ara-tafika sady kinga izy, naitany hatrany amin' ny ony Rhine ka hatrany Atlantika ny sisin-tany rômana tamin' ny nahazoan an' i Galia, avy eo nampiasainy ny antokon-tafiny (legio) mba hahazoany ny fahefana nandritra ny ady an-trano nifanandrenany tamin' i Pômpeio sy tamin' ny repoblikana. Nampisalotra ny tenany ny anaram-boninahitra hoe "mpanao didy jadona mandra-pahafatiny" izy, dia nisy namono fotoana fohy taorian' ny fiokoan' ireo loholona (senatera). Nivavahana toy ny andriamanitra izy ary ny zananilahy natsangany atao hoe Ôktavio, izay nandresy an' i Marko Antônio, no namarana ny fanavaozana ny Repoblika Rômana izay nosoloan' ny Prinsipata sy ny Empira Rômana. Nahiahina ho naniry hanorina fitondra-mpanjaka vaovao tao Rôma izy, ka dia novonoin’ ny senatera notarihin' i Brutus sy Cassius tamin' ny 14 Marsa 44 tal. J.K.


From Wikipedia, the free encyclopedia · View on Wikipedia

Developed by Tubidy