Kor'any

Ny Kor'any masina

Ny Kor'any dia boky masin' ny silamo izay inoan' ny Mozilmana fa fanangonana ny tenin' i Allah (Andriamanitra) izay fanambaràna (āyāt) ara-bakiteny nambarany tamin' i Mohamady (arabo: محمد / Muḥammad) izay inoan' ny Mozilmana fa mpaminany farany sady irak' Andriamanitra, tamin' ny alalan' ny anjely Gabriela (جبريل / Jibrîl) nanomboka tamin' ny taona 610-612 hatramin' ny fotoana nahafatesany tamin' ny taona 632. Amin' ny teny arabo dia القُرْآن‎ / al-Qurʾān no anaran' ilay boky. Asasoratra tamin' ny faramparan' ny Andro Taloha, tamin' ny taonjato faha-7, ny Kor'any izay boky voalohany sy tranainy indrindra fantatra amin' ny teny arabo hatramin' izao.

Ny dôgma nifandovàna eo amin' ny fivavahana silamo dia manao an' io boky io ho asasoratra voalohany amin' ny "teny arabo mazava", sady manana toetra "tsy hay alain-tahaka" eo amin' ny hakanton' ny firafetany sy amin' ny foto-pitsipika môraly sy etika voiziny.

Ny Kor'any dia antsoina indraindray hoe al-kitāb ("ny Boky"), adh-dhikr ("ny fampahatsiahivana") na koa al-furqān ("ny fahaiza-manavaka"). Ho an' ny Mozilmana sonita dia fanehoana anaran-toetr' Andriamanitra, tsy noforonina, natao ho an' ny olombelona rehetra ny Kor'any.

Ny lovam-pampianarana silamo dia mihevitra fa ny lahatsoratra kanônikan' ny Kor'any dia vita tany amin' ny andron' ny kalifa fahatelo, Othmān. Izany fiheverana izany anefa dia mbola foto-pikarohana sy adihevitra eo amin' ny mpahay tantara amin' izao taonjato faha-21 izao. Amin' ireto mpahay tantara ireto, ny Kor'any dia lahatsoratra samihafa natambatra na nampandrin' ny mpanoratra samihafa an-tsoratra, noraiketina tamin' ireo taona farany tamin' ny taonjato faha-7, teo ambany fitondran' ny kalifa ômeiada Abd al-Malik (taona 685-705), izay tena mpandrindra an' ilay empira ary nanao ny finoana silamo ho fivavahana ôfisialy[1]. Ity lahatsoratra ity dia mampivondrona singa avy amin' ny toritenin' i Mohamady, ary koa lahatsoratra manam-piaviana kristiana na pagàna mihitsy aza. Noho izany, ny Kor'any dia mpandova loharanom-pahalalana maro natambatry ny vondrona mpino voalohany izay nihevitra ny tenany fa mifanaraka amin' ny fampianaran' i Mohamady. Miteraka adihevitra eo amin' ny mpahay tantara ny daty nandraiketana ny rijantenin' ny Kor'any. Mitsinjara hoe toko na soràta miisa 114 ny Kor'any.

  1. "La fin d'une énigme", L'histoire, 472, 2020, p. 3 (citation) mamintina ny Le Coran des historiens, 2019. Jereo koa : The Oxford Handbook of Qur'anic studies, 2020

From Wikipedia, the free encyclopedia · View on Wikipedia

Developed by Tubidy