Lohataona

Ny lohataona no fizaran-taona voalohany amin' ny taona. Amin' ny faritra misy fizaran-taona efatra dia mandimby ny ririnina izy sady dimbiasan' ny fahavaratra. Amin' ny lohataona no manomboka mitsiry sy maniry avokoa ireo zava-maniry nihintsan-dravina nandritra ny ririnina. Mitombo ny halavan' ny andro ary mihena ny an' ny alina. Betsaka ny hazavana sady mihamafana ny andro nefa tsy mbola misy na betsaka ny orana.

Raha zaraina efatra mitovitovy ny taona iray dia izao: ao amin' ny ila-bolantany avaratra dia mahafaoka ny volana Marsa sy Avrily ary Mey ny lohataona fa ao amin' ny ila-bolantany atsimo kosa dia manambatra ny volana Septambra sy Oktobra ary Novambra izany.


From Wikipedia, the free encyclopedia · View on Wikipedia

Developed by Tubidy