Maldiva

Sainan' i Maldiva
Saritanin' i Maldiva

I Maldiva dia firenena ao Azia Atsimo, izay fitambarana nosy ao amin' ny Ranomasimbe Indiana. Ny renivohiny dia i Malé. Ny tanàna lehibe indrindra dia Malé. Mirefy 298 km2 ny totalin' ny velaran-taniny ary miisa 328 536 ny mponina ao araka ny fanisana natao tamin' ny Janoary 2012. Ny faritr' ora dia +5.

Sarin-tanin' i Maldiva

Tamba-nosy ahitana nosy miisa 1 000 any ho any i Maldiva. Satria iva dia iva ireo nosy ireo dia matetika no ambanan' ny fiakaran' ny ranomasina. Maro isan-karazany ny biby an-dranomasina, izay ahitana soka-dranomasina, karazam-pay, antsantsa sns.

Be mponina loatra ilay tangoro-nosy (misy mponina 1 000 isaky ny km2). Arabo sy Indiana sy Singaley ary Afrikana ny mponina ao. Ny fivavahana silamo no be mpanaraka indrindra ao.

Tsy dia manana tany azo volena firy i Maldiva ka ny jono sy ny fizahàn-tany no iompanan' ny toekareny.

Protektôrata britanika taloha i Maldiva, izay nahazo ny fahaleovan-tenany tamin' ny taona 1965, sady mikambana ao amin' ny Commonwealth.


From Wikipedia, the free encyclopedia · View on Wikipedia

Developed by Tubidy