Martsa

Sarivongana maneho ny andriamanitra Marsa

Ny volana Martsa na Marsa dia volana fahatelo ao amin' ny tetiandro gregôriana sy joliana. Izy no volana voalohany amin' ny lohataona any amin' ny ilabolantany avaratra (ny ekinôksa dia mitranga amin' ny 19 na 20 na 21 Marsa). Avy amin' ny teny latina hoe Martius io anarana io sady mifandray amin' ny anaran' ilay andriamanitra romana hoe Marsa.

Ny fiandohan' ny lohataona any amin' ny ila bolantany avaratra dia mitranga amin' ny andro voalohan' ny volana Marsa. Ny ekinôksan' ny Marsa amin' ny 20 na 21 Marsa dia manamarika ny fiantombohan' ny lohataona ao amin' ny ila bolantany avaratra sy ny fiandohan' ny fararano any amin' ny ila bolantany atsimo, izay ny volana Septambra no mitovy fizaran-taona aminy ao amin' ny ila bolantany avaratra.


From Wikipedia, the free encyclopedia · View on Wikipedia

Developed by Tubidy