Mazandarany (vahoaka)

Ny Mazandarany na Mazendarany izay atao hoe Tabary na Mazany koa, dia vahoaka iraniana tompontany monina ao amin' ny faritr' i Kaspiana any Iràna. Ao amin' ny morontsiraka atsimon' ny Ranomasina Kaspiana no onenan' izy ireo, ao amin' ny faritra anisan' ny manan-tantara antsoina hoe Tabaristan. Ny tendrombohitra Alborz dia sisin-tany atsimo amin' ny faritra onenan' ny Mazanderany.

Atao hoe مازرونیون / Mazanderani na طبریون / Mazanderani na تپورون‎ / Tabari izy ireo amin' ny fiteny mazandarany.


From Wikipedia, the free encyclopedia · View on Wikipedia

Developed by Tubidy