Mediana (vahoaka)

Ny Empira Mediana

Ny Mediana na Meda dia vahoaka nonina tao amin' ny tapany avaratra-andrefan' i Iràna ankehitriny, mpifanolo-bodirindrina amin' ny Persiana (na Persa). Nivavaka amin' andriamanitra maro ny Mediana ary ny mpisorona dia nivondrona amin' ny antoko atao hoe magy na majy.

I Media dia faritra tranainy tany Azia any amin' ny tapany avaratra-andrefan' i Iràna ankehitriny. Ny Mediana sy ny Persiana mpifanolo-bodirindrina aminy dia niteny fiteny indô-Iraniana akaikin' ny fiteny persiana taloha. Tsy dia fantatra loatra ny momba ny kolontsaina mediana.


From Wikipedia, the free encyclopedia · View on Wikipedia

Developed by Tubidy