Mey

Ny andriamanibavy Maia

Ny volana Mey dia volana fahadimy ao amin' ny tetiandro gregôriana sy joliana. Maharitra 31 andro ity volana ity. Avy amin' ny teny latina hoe Maius (volana May) ilay anarana, izay mampahatsiahy ny andriamanibavy italika Maia.

Ny volana Mey no volana fahatelo amin' ny lohataona any amin' ny ila-bolantany avaratra, izay mifandray amin' ny fararano any amin' ny ila-bolantany atsimo, ary koa ny volana voalohany amin' ny fahavaratra any amin' ny ila-bolantany avaratra (ririnina any amin' ny ila-bolantany atsimo). Tamin' ny voalohany dia io no volana fahatelo tao amin' ny tetiandro rômana.


From Wikipedia, the free encyclopedia · View on Wikipedia

Developed by Tubidy