Midrasa

Ny Midrasa dia lahateny na lahatsoratra nataon'ireo raby ivoasany ny Torah mba hanazavana ireo zavatra momba ny lalàna na ny fitondran-tena. Ny tanjon'ny fanaovana midrasa dia ny hanazava ny hevi-dalina izay miafina ao ambadiky ny hevitra ara-bakitenin'ny Baiboly. Anangonana ny fivoasana nataon'ny raby maro ny amin'ny lalàna sy ny fomba amam-panao resahina ao amin'ny Soratra Masina ny Midrasa. Maro ny Midrasa (Midrashim) voasoratra ka naharitra taonjato folo no nanaovana izany. Ny midrasa dia natao am-bava aloha vao izay noraiketina an-tsoratra taty aoriana. Ny midrasa koa dia ireo boky mirakitra izany fivoasana izany sy ny lahatsoratra mamelabelatra azy ireo sy ny fomba fiasa anatanterahana izany fivoasana izany.

Ny midrasa tranainy indrindra dia voasoratra tany amin'ny taona 200 tal. J.K. any ho any, ary ny farany indrindra dia tamin'ny taonjato faha-12 taor. J.K.


From Wikipedia, the free encyclopedia · View on Wikipedia

Developed by Tubidy