Mosesy

I Mosesy na Môizy dia ilay lehilahy hebreo resahina ao amin' ny Baiboly fa nitondra ny Zanak' i Israely ho afaka amin' ny fanandevozana avy tany Egipta ho any amin' ny tany Kanaana izay nampanantenain' Andriamanitra. Nitondra azy ireo namakivaky tany efitra izy ka tamin' izany no nivoahan' ny Didy Folo sy ny fototry ny Lalàna nifehy ny Zanak' i Israely. Araka ny Baiboly ihany dia niampita ny Ranomasina Mena tamin' ny fomba mahagaga koa izy sy ny vahoaka notarihiny. Tsy tafita tany amin' ny tany Kanaana anefa i Mosesy fa maty teo amin' ny tendrombohitra Nebo rehefa avy nametraka ny fitarihana ny Israelita tamin' i Jôsoa (na Jôsoe).

Mosesy sy ny Didy Folo nataon'i Philippe de Champaigne

From Wikipedia, the free encyclopedia · View on Wikipedia

Developed by Tubidy