Orana

orana latsaka any an-dalana. Kolkata (India)

Ny orana dia rano milatsaka avy amin' ny rahona eny aminy habakabaka, vokatry ny fiandon' ny evoky ny rahona rehefa mihamangatsiaka ny andro. Ny orana no loharano voalohany ho an' ny ankabeazan' ny tany, satria manome toetra tsara ipetrahan' ny zava-misy sy ny zavamananaina (biby sy zavamaniry). Saingy miverina any an-dranomasina avokoa ny 80 isanjaton' ny orana latsaka. Ho an' ny orana tsy milatsaka eny an-dranomasina dia misy zava-mitranga atao hoe "virga" amin' ny teny anglisy, ny virga dia orana tsy milatsaka amin' ny tany fa orana lasa evoka alohan' ny fahatongavany eto an-tany. Any amin' ny tany mafana no tena misy izany fisehoana izany. Misy karazany ny orana: ny erika izay orana madinika mifafy amin' ny vanin-taona mangatsiaka (ririnina); ny orampiso izay orana kely tsy mahalena tany na tsy nanorika; ny orambaratra, orana mivatravatra amin' ny vanin-taona mafana na fotoam-pahavaratra, ny orambatravatra izay orana manila fihavy ny lohataona.

Raha mivaingana ny rano milatsaka avy eny amin' ny habakabaka dia atao hoe havandra na oram-panala.


From Wikipedia, the free encyclopedia · View on Wikipedia

Developed by Tubidy