Pastora

Martin Luther King (1929-1968), pastora batista.

Ny pastora na pasitera dia olona misahana ny fitantanana sy ny fampianarana ao amin' ny fiangonana, ka ny fiangonana prôtestanta sy ny fiangonana ara-pilazantsara (na evanjelika) no ahitana izany. Ahitana pastora (diakra na pretra) koa ny fiangonana katôlika na ôrtôdôksa, nefa tsy raisina amin' ny heviny mitovy amin' ny an' ny Prôtestanta na ny Evanjelika ny hevitr' io teny io. Ny pastora ao amin' ny Fiangonan' i Jesoa Kristy eto Madagasikra dia atao hoe mpitandrina.

Ny teny hoe pastora na pastera, izay fanagasiana ny teny frantsay hoe pasteur na ny teny anglisy hoe pastor, izay midika hoe "mpiandry", dia mampahatsiahy ny lohahevitra momba ny "mpiandry tsara" ao amin' ny Baiboly, indrindra ny ao amin' ny Testamenta Vaovao, sy momba ny fanonondroana an' i Jesoa ho ilay "mpiandry tsara".


From Wikipedia, the free encyclopedia · View on Wikipedia

Developed by Tubidy