Pinyin

Ny Pinyin (Sinoa 拼音), dia fandikana amin'ny abidy latina an'ny fiteny sinoa any amin'ny Repoblika Entim-bahoakan'i Sina, ary io no tena ampiasaina amin'ny fandikana amin'ny abidy latina an'ny fiteny mandarina ; ny sinoa any Taiwan dia mampiasa ny fandikana Wade-Giles, fomba fandikana hafa nisy talohan'ny Pinyin, fa mbola ampiasain'ny sinoa any ivelan'i Sina matetika.

Ankehitriny, ny Pinyin dia manomboka manan-danja any ivelan'i Sina, indrindra ao anatin'ny fikambanana sinoa any Hong Kong, any Macao any Malezia, nay Singapaoro, ary anaty faritra vitsivitsy any Taiwan (Repoblikan'i Sina). Io no ampiasiana rehefa mianatra teny sinoa any Eoropa. Io fomba fanoratana io koa no ampiasaina rehefa manono ny anarana sinao na famoaham-boky any ivelany, ary io koa no afahana mampiditra sinôgrama anaty findray na anaty milina.

Ny fandikana amin'ny abidy latina dia voaforon'ny kaomity ny Repoblika entim-bahoakan' Sina (PRC) ary neken'ny governemante sinoa tamin'y 11 Febroary 1958. Ny Fikambanana iraisam-pirenena ho an'ny stantardisation dia naka ny Pinyin ho standara iraisam-pirenena tami'nny 1982, ary hatr'izay izy efa ampiasain'ny fikambanana maromaro. Io fomba fandikana amin'ny abidy latina io dia lasa standaran'ny RES (PRC) tamin'ny 1 Janoary 2009


From Wikipedia, the free encyclopedia · View on Wikipedia

Developed by Tubidy