Ranomasina Mediteranea

Ny tôpôlôjian' ny Ranomasina Mediteranea

Ny Ranomasina Mediteranea dia ranomasina any atsimo-andrefan' i Eorazia, ary ranomasina any avaratr' i Afrika. Ny halavany avy any andrefana hatrany atsinanana dia misy 4 000 km, ary 1 800 km ny halaliny.

Ny Ranomasina Mediteranea dia manasaraka ny kôntinenta Afrikanina sy ny kontinenta Eorôpeanina. Ny andilan' i Suez fotsiny no ifandraisan' i Afrika sy ny kôntinenta Eorazianina. Ny andilan-dranomasin' i Gibraltar dia manasaraka an' i Espaina sy i Afrika Avaratra, 14 km monja ny halaviran 'i Afrika Avaratra sy i Eorôpa Andrefana.

Ny anarana hoe Mediteranea, izay midika hoe "ranomasina eo anivo", arakany teny niaviany hoe mare medi tera amin' ny teny latina (araka an' i Isidora avy any Sevila tamin' ny taonjao-o faha 7).

Nandritra ny Andro Taloha, ny Ranomasina Mediteranea dia lalana fandefasana entana sy varotra, ahafahan' ny fifandraisana ara-barotra sy ara-kolontsaina eo amin' ny mponina mipetraka manodidina an' i Mediteranea: ny kolontsain' i Mezôpôtamia, ny an' i Ejipta, ny kolontsaina semitika, persana, fenisianina, kartajinianina, grika ary romana. Ny tantaran' i Mediteranea dia zava-dehibe amin' ny fiaviana sy ny fivoaran'ny haifomba any Andrefana.


From Wikipedia, the free encyclopedia · View on Wikipedia

Developed by Tubidy