Ranomasina Mena

Ny Ranomasina Mena hita avy amin' ny zanabolan' i NASA
Saritany ara-tôpôgrafian' ny Ranomasina Mena

Ny Ranomasina Mena (amin' ny fiteny arabo Bahr el-Ahmar na البحر الأحمر) dia ranomasina an-kôntinenta eo amin' ny lemaka be velarana Indô-pasifika eo anelan' i Afrika Avaratra sy ny Atsinanana Akaiky. Ny velarany dia misy 450 000 km². Io ranomasina io dia ranomasina manan-danja sy ahafahan' ny sambo avy any Azia Atsinanana sy avy any Ôseania makao Eorôpa tsy mila mandalo any amin' i Cap de Bonne-Esperance, any atsimon' i Afrika Atsimo. Ny Lakandranon' i Suez, lakandrano eo anelanelan' ny Ranomasina Mena sy ny Ranomasina Mediteranea dia afahan' ny sambo makao Eorôpa.


From Wikipedia, the free encyclopedia · View on Wikipedia

Developed by Tubidy