Sadoseo

Sadoseo, sary natao tamin' ny taonjato faha-15 ao amin'ny boky Die Schedelsche Weltchronik.

Ny Sadoseo na Sadoseanina dia ireo mpikambana amin' ny antoko iray amin' ny efatra lehibe amin' ny firehan' ny fivavahana jiosy tamin' ny Andro Taloha tao Jodea (na Jodia) tamin' ny taonjato faha-2 tal. J.K. sy taonjato voalohany taor. J.K. Ny antoko telo hafa dia ny Fariseo na Farisiana, ny Eseniana ary ny Zelôta. Atsoina hoe Sadoseo koa ireo mpitondra fivavahana tamin' ny andron' ny Tempoly Voalohan' i Jerosalema (ka isan' izany ny mpisoronabe Sadôka na Zadôka).

Avy amin' ny saranga ambonin' ny mpisorona ny Sadoseo, izay nifanohitra tanteraka amin' ny Fariseo, sady tokony nifanohitra koa tamin' ny Eseniana. Nofongorin' ny Zelôta sy ny Sikara izy ireo tamin' ny Ady jodeô-rômana voalohany.

Miavaka amin' ny Fariseo ny Sadoseo, indrindra ny amin' ny fiheverana ny fitsanganan-ko velona izay tsy inoany.


From Wikipedia, the free encyclopedia · View on Wikipedia

Developed by Tubidy