Sakafo

Sakafo isan-karazany

Ny sakafo dia izay zavatra hanin' ny zavamananaina mba hanome azy angovo sy hihazona ny ainy ary hanentana ny fitomboany. Izany dia avy amin' ny biby, zavamaniry, ny holatra (indraindray koa bakteria na mineraly), izay misy ny otrikanina ilaina toy ny gliosida, ny tavy, ny prôteinina, vitaminina, na mineraly.

Ny karazam-biby tsirairay dia samy manana ny fomba fihinanany izay manome fahafaham-po ny filan' ny fiota simika ao anatiny ary ny karazana tsirairay dia nivoatra mba honina amin' ny faritra ara-tontolo iainana manokana miankina amin' ny zava-misy ara-jeôgrafia.

Vary amim-boanio - Antsiranana

Ny olombelona, izay tsy mifidy karazan-javatra hohanona, dia mahay mampifanaraka ny fiainany amin' ny zava-misy mba hahazo sakafo amin' ny tontolo iainana maro samihafa. Amin' ny ankapobeny, ny olombelona dia mikarakara ny sakafo hohaniny. Ny ankamaroan' ny sakafo misy angovo ilaina dia sahanin' ny indostrian' ny sakafo, izay mamokatra sakafo amin' ny alalan' ny fambolena mahery vaika. Ity fomba fambolena mahazatra ity dia miantehitra mafy amin' ny fandrehitra fôsily, izay midika fa ny rafitra ara-tsakafo sy ara-pambolena dia anisan' ny mpandray anjara lehibe amin' ny fiovan' ny toetany, izay mahatratra hatrany amin' ny 37 % amin' ny totalin' ny etona mampihiboka hafanana.

Manara-maso ny fitandroana ara-pahasalamana momba ny sakafo ny fikambanana iraisam-pirenena toa ny International Association for Food Protection (Association internationale pour la protection des aliments), ny World Resources Institute (Institut des ressources mondiales), ny World Food Program (Programme alimentaire mondial), ny Food and Agriculture Organization (Organisation pour l'alimentation et l'agriculture), ary ny International Food Information Council (Conseil international d'information sur l'alimentation).


From Wikipedia, the free encyclopedia · View on Wikipedia

Developed by Tubidy