Samoela

Manosotra an'i Davida ho mpanjaka i Samoela, sary nataon'i Jan Victors.
Nitondra an'i Samoela teo amin'i Ely i Ana reniny, sary nataon'i Gerbrand van den Eeckhout tamin'ny taona 1665.
Niseho tamin'i Saoly ny fanahin'i Samoela, sary nataon'i Salvator Rosa, taona 1668.

I Samoela dia sady mpaminany no mpitsara. Izy no farany amin' ny mpitsara tao Israely nandimby an' i Ely. Ny lovantsofina dia milaza fa izy no nanoratra ny Boky voalohany sy faharoan' i Samoela niaraka amin' i Gada sy i Natàna. Niala amin' ny maha mpitsara azy izy tamin' ny nanosorany an' i Saoly ho mpanjaka, araka ny Boky voalohan' i Samoela (1Sam. 8-15) ary tapitra teo ny andron' ny mpitsara. Izy koa no nanosotra an' i Davida ho mpanjaka (1Sam. 16-31).


From Wikipedia, the free encyclopedia · View on Wikipedia

Developed by Tubidy