Septambra

Ny volana Septambra dia volana fahasivy ao amin' ny tetiandro gregôriana sy joliana. Avy amin' ny teny latina hoe september (avy amin' ny hoe septem, "fito") ny anarany, satria io no volana fahafito tao amin' ny tetiandro rômana fahiny. Ny volana Septambra no volana voalohany amin' ny fararano any amin' ny ila-bolantany avaratra ary volana voalohany amin' ny lohataona any amin' ny ila-bolantany atsimo; ny ekinôksa dia mitranga amin' ny 21, 22, 23 na 24 Septambra.


From Wikipedia, the free encyclopedia · View on Wikipedia

Developed by Tubidy