Tetiandro

Ny tetiandro na kalandrie na alimanaka dia fitaovana anisana ny andro sy ny volana ary ny taona sady amantarana ny toerana misy azy ireo sy ny laharany ao amin' ny fizotran' ny fotoana ho an'ny fiainana andavanandro. Voazara ho andro sy ho herinandro sy ho volana ary taona ny fotoana, araka ny fihodin' ny Tany amin' ny Masoandro na ny an' ny Volana amin' ny Tany. Ny tetiandro dia fitaovana noforonin' ny olombelona mba handaminana ny fizaràm-potoana anatina fotoana lava. Ny tetiandro be mpampiasa amin' izao fotoana izao dia ny tetiandro gregôriana.

Ny tsingerim-pihodinan' ny Tany amin' ny tenany no atao hoe andro. Ny tsingerim-pihodinan' ny Tany amin' ny Masoandro no atao hoe taona, izay manana salany maharitra 365 andro sy 5 ora sy 48 mn ary 45,5 s.

Taloha, ny faharetan' ny iray volana refesina amin' ny isan'ny andro ao aminy dia nampitovizina amin' ny tsingerim-pihodinan' ny Volana amin' ny Tany, izay misy 29 na 30 andro. Ny taona manara-bolana, izay misy tsingerim-pihodinanam-bolana miisa 12 dia misy 354 andro, ka latsaka 11 andro sy 1/4 amin' ny taona manara-masoandro izany. Natao araka ny taona manara-masoandro ny tetiandro gregôriana ka maharitra 28 hatramin' ny 31 andro ny iray iray volana.

Niteraka fanovana tetiandro ny tsy fahafahana mizara feno ireo ventin-kalavam-potoana lehibe kokoa amin' ireo kely kokoa (andro, herinandro, volana, taona). Niteraka fahataran' ny tetiandro miohatra amin' ny tsingerim-pihodinan' ny Tany amin' ny Masoandro ny fampiasana tetiandro manara-bolana tanteraka ka niteraka fananampiana iray volana amin' ny taona sasany izany ao amin' ny tetiandro manara-bolana sy masoandro.


From Wikipedia, the free encyclopedia · View on Wikipedia

Developed by Tubidy